Proverbs 10

Ohabolana samy hafa ny amin’ ny tsi-fitovian’ ny toetry ny hendry sy ny adala, mbamin’ ny valin’ ny ataony avy

1Ohabolan’ i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny. 2Ny harena azo amin’ ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin’ ny fahafatesana. 3Tsy avelan’ i Jehovah ho mosarena ny fanahin’ ny marina; Fa foanany ny fanirian’ ny ratsy fanahy. 4Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin’ ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan’ ny mazoto. 5Izay manangona amin’ ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin’ ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra. 6Fitahiana no ho ao amin’ ny lohan’ ny marina; Fa loza no mandrakotra
Na: Fa manaron-doza.
ny vavan’ ny ratsy fanahy.
7Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran’ ny ratsy fanahy. 8Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava. 9Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin’ ny alehany dia fantatra. 10Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava. 11Loharanon’ aina ny vavan’ ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan’ ny ratsy fanahy
Izahao and. 6 .
.
12Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra. 13Amin’ ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin’ ny lamosin’ ny tsy ampy saina. 14Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan’ ny adala eo akaikin’ ny fandringanana. 15Ny haren’ ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan’ ny ory no fandringanana azy. 16Ho fiainana ny asan’ ny marina; Fa ho ota ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy. 17Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ ny lalan’ ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra. 18Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala. 19Ny teny maro tsy ilaozan’ izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry. 20Volafotsy voafantina ny lelan’ ny marina; Fa ny fon’ ny ratsy fanahy tsy misy vidiny. 21Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana. 22Ny fitahian’ i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon’ ny fisasarana ampiana izany
Na: Ary tsy ampiany alahelo.
.
23Toa laolaon’ ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa
Na: Toa laolaon’ ny adala ny fahafetsena; Fa ny manan-tsaina no manam-pahendrena.
.
24Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin’ ny marina no homena azy. 25Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay. 26Toy ny vinaingitra amin’ ny nify sy ny setroka amin’ ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin’ izay maniraka azy. 27Ny fahatahorana an’ i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan’ ny ratsy fanahy hohafohezina. 28Ny fanantenan’ ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan’ ny ratsy fanahy ho foana. 29Ny lalan’ i Jehovah dia fiarovana mafy ho an’ izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an’ ny mpanao ratsy. 30Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin’ ny tany. 31Eo amin’ ny vavan’ ny marina no itsimohan’ ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana. 32Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy dia feno fitaka.

Copyright information for Mg1865